Arabie Saoudite : Hampiantrano ny « jeux asiatiques d’Hiver » amin’ny taona 2029
Nanao fanambarana ny Conseil olympique d’Asie fa hotontosaina ao Arabie Saoudite ny « jeux asiatiques d’Hiver » amin’ny taona 2029. Tanàna « futuriste » antsoina hoe « Neom » ho atao ao Trojena no hanatanterahana ny lalao ary fifaninana karazany 47 no hifanandrenana amin’izany.
Fanamby lehibe ho an’ny Prince Mohammed ben Salmane ny fanatanterahana io hetsika « Hiver » io any amin’ny tany efritra. Efa manomboka ny fananganana ny toerana handraisana ny lalao ny tenany sy ireo tompon’andraikitra miaraka aminy. Raha ny fantatra dia manodidina ny 500 miliara dollars ny vola natontany hanagana ny tetikasa ahitana piste de Ski sy trano fonenana ary farihy artifisialy. Heverina ho vita amin’ny taona 2026 ksa ny fananganana io toerana futuriste io.
