Analakely : Nifarimbona tamin’ny fanadiovana ny tsena ireo mpivarotra
Samy nahatsapa ny tsirairay fa ny miasa anaty toerana milamina sy madio dia mahafinaritra ary mahasarika mpanjifa ihany koa. Miisa 800 ireo mpivarotra niaraka nifarimbona nanadio ny toeram-piasany sy ny manodidina azy ireo.
« Fanomeza-tanana no natolotra avy aty amin’ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo renivohitra fa eritreritra sy fandaminana avy amin’ireo mpivarotra no nahatontosa izao hetsika fanadiovana izao. Izy ireo ihany koa no nitondra ny fitaovana ahanatanterahany izao hetsika izao », hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. « Iza moa no ho tompon’andraikitra ny toeram-piasany fa tsy ny mpiasa eo ihany. Mety mba hahasarika mpividy ihany koa ety aminay rehefa madio ka tsy nataonay ambanin-javatra akory ny fanadiovana izany », hoy i Felana, mpivarotra eo Analakely.
Efa anatin’ny fivoarana ara-toetsaina izao nasehon’ireto mpivarotra ireto izao. Hirariaan ny hitohizan’izany mandritra ny fotoana ela satria ny fanadiovana dia tokony hatao matetika fa io dia anisany singa iray miantoka ny fahasalamana na ho an’ireo mpiasa eny na ireo mpividy mandalo eny. Raha ny tokony ho izy dia tokony zava-dehibe amin’ny olona rehetra izany fahadiovana izany ka anisan’ny fomba iray hitandroana izany ny fisian’ireny daba-pako maro be eny rehetra eny ireny.
Miora Raharisolo
