Mexique : Nisy ny fifandonana teo amin’ny manan-pahefana sy andian-jiolahy
Nisehoana fifampitifirana tao amin’ny lalana mampifandray an’i Nuevo Leon sy Nuevo Laredo, tanàna ao amin’ny sisin-tanin’ny firenena iraisany amin’i Etats-Unis ny alatsinain’ny pentekosta teo. Raha ny fanazavana dia andian’olona maromaro tao anaty « camionnette » telo no nitifitra manam-pahefana.
Raikitra noho izany ny fifampitifirana teo amin’ny tonta ary raha ny tatitra dia olona 10 no lavo nandritra izany. Avy amin’ireo jiolahy avokoa ireo maty ireo raha efatra kosa no naratra tamin’ireo polisy nifanehatra tamin’izy ireo. Nilaza kosa ny tompon’andraikitry ny fiarovana ao Nuevo Leon, Gerardo Palacios, fa ankoatran’ireo jiolahy 10 lavo dia « camionnette » telo ihany koa no nogiazan’izy ireo.
