ActualitésTsidika

Fifidianana : Hifarana anio ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana

Efa fotoana ela ihany izay nanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana izay. Anisan’ny ady mafy tsy maintsy natrehan’ny vaomiera mahaleotena amin’ny fifidianana izany fanentanana ny olona izany. Maro ireo paik’ady nentin’izy ireo hanentanana ny olom-pirenena ho amin’izany fisoratana anarana izany.

« Ankoatra ny fanentanana mahazatra amin’ny haino aman-jery manerana ny Nosy. Teo ihany koa ny fitetezana tokan-trano. Tsy amabakan’izany ny fitetezana fokontany ahafahana mihaona mivantana amin’ireo mponina. Efa nampiasaina ihany koa izao ny tambazotran-tserasera. Nandritra ity volana farany ity dia nampitomboana kokoa ny fanentanana. Hisy ny fanombanana ny valin’ireny fanentanana ireny fa ny hirariana aloha ny fahombiazany », hoy ny avy ao amin’ny CENI.

Mbola misy ihany anefa ireo tsy nahasoratra ny anarany noho ny antony samihafa. « Hariva be foana vao tonga avy miasa dia efa mikatona ny biraom-pokontany. Tena vonona hisoratra anarana sy hifidy saingy ilay fotoana hatrany no tery », hoy i Tahiana, mponina eny Ambatomainty.

Antso avo no nataon’ny CENI mba hanatonan’ny tsirairay ny biraom-pokontany raha mbola tsy voasoratra anarana, mba ahafahana manefa ny adidy sy hisitrahana ny zo hifidy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire