Ambohimangakely: Notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo mponina Ambatomandeha
Nandeha teny ifotony, teny amin’ireo mponina ao Ambatomandeha sy Alatsinainy, fokontany Betsizaraina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny alahady teo. Nihaino ny hetahetan’ny mponina ary nanolotra jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro izy ireo, arak any voalaza.
“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra ny fanantonana mivantana ny mponina sy ny fametrahana jiro natao indrindra hanazavana ny elakelan-trano sy hanazavana ny lalan’ireo mponina. Zava-dehibe izany, indrindra eo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
“Sambany teto amin’ity tanàna ity no nisy nijery akaiky sy fanantonana mivantana ny mponina tahaka izao. Tena faly ny mponina ka hisaorana feno ireo tomponandraikitra sy ny mpiara-miasa aminy naira-nitafatafa sy nanolotra ireo jiro” hoy I Solo, mponina ao an-toerana.
Nihaino sy nandray ireo fitarainan’ireo mponina tao an-toerana ihany koa ny ben’ny tanàna nandritra izany fandalovany izany. Nampanantena moa ny tenany fa hanao zavatra sy hamaha ny fitarainan’ireo mponina arak any fangatahan’izy ireo.
Manitra R.
