Fampianarana : Mpianatra Malagasy aman-tapitrisany no mbola tsy manana dabilio
Efa maro ireo ezaka amin’ny lafiny fampianarana nataon’ny Fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Amin’izao fotoana izao anefa dia mbola manaitra hatrany ny trangan-javatra miseho. Mbola maro be hatrany ireo lesoka mila harenina sy mety ho tsy voaarina anaty fotoana fohy intsony.
« Mbola an-tapitrisany ireo mpianatra no tsy misitraka dabilio rehefa mianatra. Mbola maro ireo zaza Malagasy no mipetraka amin’ny tany any ampianarana. Mila dabilio hatramin’ny 1 200 000 vao voavaha tanteraka izany olana amin’ny fitaovam-pianarana izany », hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
Niezaka nanala tena anefa ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao rah any fanamabaran’ity Minisitra ity hatrany: « Tsy vao izao no nahatonga izany olana lehibe izany. Vokatry ny fahataran’ny fandraisana andraikitra hatramin’izay an-taonany maro no nahatonga izany ».
« Raha ny fahitana azy aloha tokony ho voavaha ihany izany olana izany raha nandritra izay nitondrana teo izay no nanao ho laharam-pahamehana tokoa ny fampianarana ny Fitondram-panjakana. Sarintsarina laharam-pahamehana ilay hatao dia manadio tena rehefa avy eo manilika ny tsy fahaizana mandray andraikitra amin’ny teo aloha », hoy i Joseph, mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray.
Ny fahalalana dia anisan’ny hitondra fampandrosoana. Ny foto-drafitr’asa mahakasika izany anefa no tokony hatsaraina hampazoto ny zaza Malagasy. Azo atao ihany koa ny miara-miasa amin’ny olona aeny ifotony eny amin’ny fananganana fotodrafitr’asa mba tsy hilonana ela loatra.
Miora Raharisolo
