ActualitésTsidika

Alasora : Hisy ny hetsika fikarakarana kopia faobe

Hisy ny hetsika fikarakarana kopia faobe ho an’ny latsaky ny 18 taona, atolotry ny kaominina Alasora. « Entanina ireo izay tokony hisitraka izany mba hisoratra anarana eny anivon’ny biraom-pokontany hatramin’ny 23 jona 2023 » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Alasora.

« Mbola maro ireo zaza malagasy tsy manana kopian’ny sora-pahaterana. Isaorana ny kaominina nanolotra ny hetsika satria zava-dehibe ho an’ny mponina izany ary hanentanana ny ray amandreny rehetra satria andraikitr’izy ireo no manatanteraka ny fanoratana ny zaza » hoy ireo filoham-pokontany.

Tahaka ireo zo tokony hananan’ny ankizy dia tokony hananana ny kopia sora-piankohonana ihany koa izy ireo. Efa maro ireo kaominina mirsotaka an-tsehatra amin’ny fanentanana ny ray aman dreny ny fanamboarana kopia ny zaza ka tokony araraotina.

Manitra R.

Laisser un commentaire