SocialTsidika

Tokony hijerena vahaolana ny asan-jiolahy misesisy

Tsy mifidy toerana sy fotoana intsony ankehitriny ireo asan-jiolahy. Mandre fanafihan-jiolahy mitam-piadiana hatrany isika amin’izao fotoana izao. Lasibatra amin’izany ireo olona mitazona vola sy ireo vahiny isan-karazany. Manerana an’i Madagasikara mihitsy no saika ahitana izany. Ankoatra ny asan-dahalo izay miseho any amin’ireo toerana ivelan’ny renivohitra, manomboka mahery vaika ihany koa ankehitriny ny asan-jiolahy. Tsy vitsy ireo mitaraina ho vaky trano, voaendaka sy voatafika. Sahan’izy ireo hatramin’ny manafika banky sy mpitahiry vola koa aza. Anisan’izany ireny toerana hakana vola amin’ny alalan’ny finday ireny. Miteraka fakam-panahy isan-karazany izy ireny ka mahatonga ny olona hangalatra sy handroba. Mila mailo hatrany koa anefa na ny tompon’izany na ireo mpiandry. Misy amin’izy ireny aza moa ilay mpiasa miandry izany ihany no maka izany ary misy ireo efa manana teti-dratsy mihitsy ny amin’ny drafitra hotanterahana amin’izany. Maro ihany koa anefa ireo tena voatafika nohon’ny fisian’ny jiolahy efa manara-maso. Miandahy miambavy ny fanafihana hataon’ny jiolahy ankehitriny ary tsikaritra ny fananan’izy ireo fitaovana toy ny an’ny mpitandro filaminana ihany. Vao tsy ela akory izay no nisy ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny polisy teny Ambodimita. Izay nilazan’ny eo anivon’ny polisim-pirenena fa ankoatra ireo jiolahy maty, mbola misy ihany koa ny vehivavy miray tsikombakomba amin’ity raharaha ity izay efa voasambotra. Misy amin’izy ireny no efa matianina amin’ny asany ka tsy matahotra intsony ny polisim-pirenena sy ny mpitandro filaminana, ka mahasahy mifanehitra aminy. Mampametram-panontaniana ny tsirairay ihany koa anefa ny mpamatsy fitaovana azy ireny hahafahany manatanteraka ny asany. Ilaina ny fitohizan’ny ezaka hataon’ny polisim-pirenena mba hamongorana ny asan-jiolahy eto Madagasikara.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire