ActualitésTsidika

Alasora : Voantendry ho kaomandin’ny brigady ny GPHC Rakotondrabe Mamy

Voatendry ho kaomandin’ny brigadin’ny zandarimaria ao Alasora ny Talata lasa teo ny GPHC Rakotondrabe Mamy, izay nitana ny andraikitra naha « chef de poste » azy teo aloha.

« Ny hanatsarana ny lafin’ny fandriam-pahalemana eto amin’ny kaominina Alasora no tena handraindrain’ny mponina, efa mampikolay loatra ny resaka tsy fandriam-pahalemana eto, izay no tena andrasanay amin’ny fiovana » hoy i Manitra mponina ao Alasora. « Ny zandarimaria eto Alasora dia mananteraka fisafoana isan-kalina, entina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Ny fiarovana ny vahoaka sy ny fahefana no tena himasoana » hoy ny ao amin’ny brigadin’ny zandarimaria Alasora.

Manantena sy miandry fihatsarana eo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana araka izany ireo mponina taorian’izao fanendrana ny kaomandin’ny brigady izao. Indrindra fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana mba hiadiana amin’ny asa ratsy isan-karazany hampandrosoana ny kaominina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire