ActualitésTsidika

Renim-pianakaviana iray may tao Ambatondrazaka

Tsy fantatra mazava ny tena niandohan’ny afo ka nitarika ny fahamaizana tamin’ilay renim-pianakaviana nandritra ny loza nahazo azy tany Ambatondrazaka. Efa an-dalam-pitsaboana ny fery izy amin’izao ary hita ny fahatsaran’ny fahasalamany ka manomboka miteny izy.

« Maraina ny andro ary nisy afo teo amin’ny varavarana izay tsy fantatra hoe afo avy aiza kanefa izaho efa namono afo, tao amiko koa be lasantsy ka nanafaingana ny fiparitahan’ny afo ». « Nisy nanendy mofo tao an-tokontany ka nahazo ilay moto ny afo ary nitarika izao fahamaizana izao saingy mbola mitohy hatrany ny fanadihadihana » hoy ny zandary.

« Efa nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana izahay no sady mitsabo ny marary ihany satria hita fa voa mafy ihany izy » hoy ny fianakavian’ny niharam-boina. Tsy fantatra mazava izay tena niavian’ny afo, eo an-dalam-pikarohana ny tena zava-nisy marina ny mpitandro filaminana sy ny fianakaviany. Loza tsy nahy ve sa sotasota sy lonilony fotsiny ihany izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire