ActualitésTsidika

Festival Ankarabe : Mahavelom-panantenana ny andiany voalohany

Ny « festival » dia fanentanana mahakasika ny hetsika iray mba hampivondrona olona maro.

Ho tanterahina any amin’ny disrtika Ambilobe, renivohitra taloha an’Antakarana ny andiany voalohany amin’ny Festival Ankarabe izay ho tanterahina ny 28 Aogositra, ny 02 Septambra hatramin’ny 05 Septambra 2021.

Hiavaka ity andiany voalohany ity amin’ny fahatongavan’ny artisata miisa 30 teo amin’ny faritra Diana. Mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ara-kolotoraly, ara-tsosialy ary ara-ekonomika ity Festival Ankarabe ity. Ity hetsika ity dia manolo-tena amin’ny fanatanterahana ireo asa hahafahan’ny besinimaro miditra eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, ny zom-pirenena, ny fampidirana ara-tsosialy, ny fiarovana ny tontolo iainana. Manolotra toerana hahafahana miaraka sy mivondrona ity festival ity mba hisian’ny firaisan-kina sosialy.

Hisy mpanakanto taloha sy maoderna avy amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara hoavy hanao seho an-tsehatra mandritra ny enina andro haharetan’ny hetsika. Toa an’i Jean Louis Rajerison, DJ Mourchidy, Big MJ sy Dalvis… Ankoatra izay, hisy hetsika maro samihafa ho hita ihany koa mandritra izany toy ny fifaninana « Miss » sy « Mister », fampisehoana maro samihafa sy ny fifaninana dihy. Ho an’ny mpikarakara ny Festival, ny hetsika tahaka izao dia ahafahana manolotra zavatra tsara hoan’ny mponina ary natao mirary ihany koa ny vidim-pidirana.

Teboka tsara iray hafa ho an’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana na ny fikambanana, tsar any fisian’ny hetsika hoy ny mpikarakara satria miteraka asa indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra izao na dia andro vitsivitsy aza izany.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire