CultureTsidika

Tantara : Nanana zanaka vavy i Ranavalona III

Betsaka no mbola tsy mahafantatra fa nanambady ary niteraka iray Razafindrahety na Ranavalona lll nialohan’ny naha-mpanjaka azy. Tsy nambara tamin’ny rehetra izany, indrindra ny mpanjanaka mba ho fiarovana ny taranany. I Ravoninoro Louise io zanany vavy io izay zanany tamin’i Ratrimoarivony. Teraka tamin’ny taona 1878 tao Faravohitra ary nodimandry ny taona 1947 izy.

Vao 5 taona monja i Louise Ravoninoro dia Ny Printsesy Rasendranoro, rahavavin’ny Mpanjaka Ranavalona III no nitaiza azy, tao Ambatobevanja sy Iavoloha ho fiarovana ny ainy. Natahotra mantsy ny Mpanjaka Ranavalona III sao ho vonoin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony ny zanany.

Taty aoriana, nanambady an’i Rainizoely Andriambahoaka i Louise Ravoninoro Ranavalozafimanjaka. Niteraka 10 miandahy izy roa ireo. Efa betsaka ny taranak’izy 10 mianadahy ireo izay monina eto Madagasikara sy any Frantsa ny ankamaroany.T sy dia tia misehoseho izy ireo,ka izay no tsy dia hahafantaran’ny olona ny taranak’ity zanaka vavin’i Ranavalona III ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire