Cuba : Santa María del Mar, morontsiraka misarika mpizahan-tany
Santa María del Mar dia tora-pasika any amin’ny 19 km atsinanan’i Havane ao Cuba. Tafiditra ao amin’ny fifampitohizana tora-pasik’i Espagne antsoina « Playas del Este» (plages de l’Est) izy io. Mifanara-dalana amin’ny halavirana 24 km manamorona ny morontsiraka avaratry ny faritanin’i La Habana ao amin’ny kaominin’i La Habana del Este ny « Playas del Este».
Tora-pasika fotsy ny hita ao amin’ny Santa María del Mar. Miloko manga ary mafana ny ranomasina ao aminy, voamorona vonia sy voalobo-dranomasina izy ka misarika mpizahan-tany maro. Maro ihany koa ny hotely azo hivantanana ao amin’ny toerana.
