Ambohimanambola : Ny kaominina no mandray sy mitantana ny service eau ao anatin’ny fotoana voafetra
Araka ny fandaminana napetraka, taorian’ny fikorontanana teo amin’ny mpitantanana ny SEA (Service Eau Ambohimanambola) dia efa niverina amin’ny laoniny ankehitriny ny famatsiana rano ao an-toerana. Ny kaompinina no mandray sy mitantana ny SEA ao an-toerana, ao anatin’ny fotoana voafetra, araka ny voalaza.
“Ny service eau kaominina Ambohimanambola izay tambatra Teknisianina maromaro ao amin’ny servisy rano fanadiovana fidiovana eto anivon’ny Kaominina Ambohimanambola no hitantana ny fotodraditrasa fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny fotodrafitrasa kaominaly Ambohimanambola sy Ambohipeno ao anaty fotoana voafetra” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Tsy miova ny birao fandraisana ny mpanjifan’ny servisy SEA fa ao amin’ny toerana mahazatra ihany. Misy ny tomponandraikitra afaka mandray sy mamaly ny mpanjifa ao an-toerana araka izany, manomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 05 ora hariva” hoy hatrany ny fanazavana.
Mivoha ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ity birao ity. Ho fanatsarana ny kalitao sy ny tolotra omena ny mpanjifa hatrany moa no anton’izao ezaka izao, raha ny voalaza hatrany. Marihina fa voakasik’izany ihany koa ny foto-drafitr’asa ao amin’ny fokontany Ambohipeno.
Manitra R.
