Ankadikely Ilafy : Nahazo jiro indray ny tanànan’i Ambohitrarahaba
Mitohy hatrany ny fametrahana jiro hanazava ny lalana ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ka nisitraka izany indray i Ambohitrarahaba, ankoatra izay efa napetraka sy mbola hapetraka amin’ny làlana mampitohy an’Ankadikely sy Ambohipanja.
« Isaorana ireo nanome tanana rehetra nahatontosan’izao jiro hanazavana ny tanàna izao, toy ny orinasa Jirama izay nanohana ara-teknika, sy ny Ministeran’ny Angovo » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Mampihena ny tsy fandriam-pahalemana izay tena mampitaraina ny maro tokoa ny fanazavana ny tanàna tahaka izao ka tokony hiparitaka manerana ny tanàna rehetra mihitsy » hoy i Claudia, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Na misy aza ny fanazavana ny tanàna tahaka izao dia mila malina mandrakariva isika, satria ny ratsy tsy kely lalana, andro atoandro aza manjaka ny ratsy maika fa alina » hoy i Rivo, mpianatra sociologie eny Ankatso.
Miara-mientana amin’ny fahombiazana marina isika, ka ny mpitondra dia manatanteraka ireo tetik’asa, ary ny vahoaka kosa mahay manaja ny mikolokolo ary miaro ireny tetik’asa ireny.
Nicole Rafalimananjara
