Ambohimanambola : Mpivarotra rongony tratra niaraka tamin’ny entany fivarotr’izy ireo
Miparitaka ny zava-mahadomelina ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Tratran’ny zandary avy ao an-toerana ny alarobia teo ireo mpivarotra rongony telo lahy, niaraka tamin’ny rongony fivarotr’izy ireo, araka ny voalaza.
« Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahafantarana fa misy mpivarotra rongony eo Ambohimanambola, fokontany Gara. Tsy niandriandry fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fisavana trano fonenana’ireo olona voalaza ny zandary rehefa nahazo taratasy fahazoan-dalana hisava trano tany amin’ny fitsarana Anosy » hoy ny avy amin’ny biraon’ny zandary avy ao an-toerana.
« Rongony maromaro tokoa no tratra tamin’izany. Olona 03 no nentina niakatra fitsarana ny 24 May 2023 teo ka ny roa amin’izy ireo dia nahiditry ny fitsarana any am-ponja vonjimaika, ny iray kosa eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana (sous contrôle judiciaire) » hoy hatrany ny fanazavana.
Efa maro ny fanentanana nandeha mahakasika ny fandriam-pahalemana sy ny zava-mahadomelina nataon’ireo tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tsy hijanona hatreo anefa izany fa vao maika hihamafy ary tsy hisy fampitandremana ho an’ireo tratra intsony fa ho enjehina hatramin’ny farany, raha ny voalaza hatrany.
Manitra R.
