France : Mitombo an’isa ireo ankizilahy 12-13 taona mitsidika ireo tranonkala nisy horonantsary mamoafady
Mitombo isan-taona ny tahan’ny zaza tsy ampy taona mitsidika ireo tranonkala nisy horonantsary mamoafady raha ny fanadihadiana nataon’ny Médiamétrie izay tarihin’ny Arcom. Nanazava izy ireo fa ny ampahatelon’ny tanora no mitsidika ireny tranonkala ireny isam-bolana. Mahatratra 2,3 tapitrisa izy ireo izay 30 % ny tanora ary maharitra 50 minitra isam-bola eo ny fotoana hijanonan’izy ireo ao amin’izany tranokala izany raha ny fanamafisan’ny mpanadihady.
Nitombo 600 000 kosa ny isan’ireo zaza tsy ampy taona ireo raha noharina ny tamin’ny taona 2017. Raha ny fanampim-panazavana dia amin’ny amin’ny solosaina sy finday ary « tablette » no tena hijerevan’ireo ankizy ireo izany tranonkala mamoafady izany saingy ny ankahamaroany izany hoe ny telo ampahefany dia amin’ny finday avokoa.
Tsy mifanalavitra amin’ny tahan’ny olon-dehibe izay 37% kosa io taha ny zaza tsy ampy taona io mitsidika tranonkala nisy horonantsary mamoafady.
