ActualitésTsidika

Smatchin: Nisongadina hatramin’ny nisian’ny fifaninanana ny institut ESSCA sy ny DEGS

Anisan’ny tsara ho fantatra ao anatin’ity fifaninanana basket-ball, amin’ny ambaratonga ambony na ny Smatchin ity fa misy ireo ekipa tena nisongadina ary namiratra, tsara isa hatrany, hatramin’ny nisian’ny Smatchin, ny taona 2012. Eo amin’ny sokajy lehilahy, ny fakiolten’ny DEGS Ankatso no manana isa be indrindra. Ny taona 2014, 2015 ary 2019 dia ny DEGS hatrany no nahazo ny amboara voalohany tamin’ny SMATCHIN. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa dia ny ESSCA izany. Ny taona 2018 sy 2022 izy no nahazo fandresena teo amin’ny sokajy vehivavy. Anisan’ny tombony lehibe ho an’ireo ekipa ny fanohanana avy amin’ny mpianatra sy mpiara-miofana, izay mafana fo tokoa ary miray hina hatrany hampandresy ny ekipa.

Laisser un commentaire