ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nanolotra fanampiana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ikianja ny Ecole Primaire Française B

Nanolotra fanampiana toy ny kiraro, akanjo, kitapo ary kilalao maro samihafa ho an’ireo ankizy mpianatra sy ny mpampianatra ao amin’ny EPP Antanetibe Ikianja, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ireo avy ao amin’ny Ecole Primaire française B Ampandrianomby, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny sekoly sy ny kaominina no nisian’ny hetsika, raha ny voalaza.

« Ny kaominina Ambohimangakely dia maneho fisaorana feno ny Ecole Primaire Française « B » Ampandrianomby nohon’ny fiaraha-miasa ka nanoloran’izy ireo fitaovana maro isan-karazany ireo. Tao anatin’izany moa dia nisy ny fifanakalozan-kevitra sy ny fizarana traikefa teo amin’ny roa tonta ary maniry hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa tahak’izao » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Mahafinaritra tokoa ny mahita ny hetsika tahaka izao, izay tsy dia fahita firy ny fampihaonana sekoly tahaka izao. Anisan’ny mampitambatra sy mampiray ireo zaza eny an-tsekoly ny tahaka izao ka tokony voizina hatrany » hoy i Solo, mponina ao Ambohimangakely.

Nitondra hafaliana ho an’ireo mpianatra isan’isany ny fanatanterahana izao hetsika izao teny an-toerana. Mahatsiaro misy mpiahy sy misy mahatsiaro ireo ankizy, indrindra amin’izao fankalazana ny noely izao, izay nitondra tsiky ho azy ireo.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire