ActualitésTsidika

Tsangantsaina : Fomba Antakarana

Ny « Tsangatsaina » na fampakaran-tsaina, dia fomba Antakarana, avy any Antsiranana. Fanesorana ny saina famantarana ny foko izy io, izay efa tonta, ka soloina vaovao. Lanonam-be izy io, ka mifaly amin-kira sy dihy ny olona. Misy lahy sy vavy ilay andry mitazona ny saina, ka ampifampidirina izy ireny, mba hitambatra ho iray. Tsy dia resaka fiangaliana sikotra sy asa tanana fotsiny anefa izany, fa tena fomban-drazana any amin-dry zareo, hanamafy orina ny maha iray an’io foko io.

Laisser un commentaire