RNT 14 : Mandroso ny asa fanamboaran-dalana
Mandroso ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena faha-14 mampitohy ny Disitrikan’Ifanadiana sy Ikongo mirefy 94km. Anisan’ny nampitoka-monina ny disitrikan’Ikongo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza samihafa ny fahasimban’io lalana io. Lalana 6km hatreto no efa nasiam-panamboarana ka hitohy hatrany Ikongo izany.
