SocialTsidika

FVR : Aretim-biby mifindra any amin’ny olombelona

Aretina mpahazo ny biby aty amin’ny kaontinaonta Afrika ny Fièvre de la Vallée du Rift na FVR.Anisan’ny ahitana izany ny omby, ny osy ary ny rameva. Tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 1979 kosa ity areti-mifindra ity ny taona 1979. Miseho isaky ny 10 taona izy araka izany, ary ny omby no tena voalohany lasibatr’ity aretina ity raha eto amin’ny firenena no jerena. Nahitana izany ny taona 1990 sy 1991, 2008-2009, ary tamin’ity taona ity. Aoriana sy mandritran’ny fotoam-pahavaratra no tena ahitana izany manerana ny kaontinanta afrika. Tsy vitan’izany ihany fa mifindra any amin’ny olombelona ihany koa ity aretina ity raha toa ka tany amin’ny biby no nahazoana azy. Mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka sy ny fifandraisana amin’ireo taovan’ny biby efa nitondra ny aretina no ahazoan’ny olombelona azy. Tafiditra ao anatin’izany ny rà, ny hena, ny ronono sy ny taovan’ny biby iray. Izany hoe tsy ireo biby ihany no voan’ity aretina ity fa na isika olombelona koa aza. Marihana anefa fa tsy misy ny fanafody na fanefitra ho amin’ity aretina ity raha ho an’ny olombelona. Mahafaty avy hatrany araka izany ity aretina ity. Faritra 3 eto Madagasikara anefa no ahitana azy ity ankehitriny. Voalohany amin’izany ny faritra vatovavy fitovinany, izay efa nahitana omby 473 maty, raha nisy 576 hafa ihany koa nanomboka ny volana martsa lasa teo. Manaraka azy ny ao Atsimo Andrefana, izay nahitana tranga voalohany tamin’ity taona ity, omby 122 no hita ho narary tamin’izany. Eo ihany koa ny ao amin’ny faritra Diana, izay nahitana 93 tranga nandritran’ny fotoana nisiany. Anisan’ny fisehoan’ity aretina ity amin’ny olombelona ny fahafahan-jaza ho an’ny vehivavy mitondra vohaka, ny tazo, ny fahalain-komana,ny kohaka sy ny sery. Tsy misy afatsy ny fitandremana irery ihany araka izany no fanafodin’ity aretina ity. Misy araka izany ny fanentanana hataon’ny minisitera tompon’andraikitra amin’ny tsy fividianana ireo henan’omby mampiahiahy, sy izay rehetra taovam-biby mampiahiahy. Efa misy ihany koa ny fitsirahana eny anivon’ny toeram-pamonoana omby ankehitriny.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire