Conseil

Ny tongolo gasy : Manala tavy.

Isan’ny manampy amin’ny fampihenana vatana ary mampitsonika tsikelikely ny tavy ratsy amin’ny vatana ny tongolo gasy. Aorian’ny vanin’andro fety toa izao tokoa dia nahery nihinana sakafo matavy ny olona. Fotoana izao hanalana izany.

Isa maraina vao mifoha dia maka rano matimaty iray vera, asiana Hasina tongolo gasy iray kelikely ao anatiny. Avela hilona iray minitra vao sotroina. Raha olona te hanafaingana ny fihenana dia tsara kokoa raha ampiasaina io fomba io in-telo isan’andro isaky ny alohan’ny hisakafo.

Misy fomba hafa ihany koa azo atao. Tetehana madinika ny tongolo gasy, tsy  atao madinika loatra ary asiana tantely 2 sotro fihinanana. Afaka manao betsaka dia tehirizina anaty vata fampangatsiahana. Afangaro tsara dia tehirizina anaty bocal misarona tsara. Mihinana iray sotrokely isaky ny maraina vao mifoha. Ao anatin’ny herinandro dia efa mahita fiovana tanteraka ny vatana. Tantely tsy mitapoka no hampiasaina.

Fenohasina Ratsimamitaka

Laisser un commentaire