Fanondranana sokatra : Misy tambajotra matanjaka sy manam-pahefana
Voarohirohy amin’ny fanondranana sokatra ihany koa ankehitriny na ireo lazaina aza fa hatokisana eto amin’ny firenena. Misy amin’ireo filohan’ny fitsarana aza no milaza fa manahirana ary sarotra ny fanenjehana ireo tambajotra mpanondrana sokatra, nohon’ny fisian’ny olona ambony tafiditra amin’izany. Maro amin’izy ireo anefa no tsikaritra fa lany tamingana noho io fanondranana tsy ara-dalàna io. Manan-danja nohon’ny biby rehetra misy eto Madagasikara anefa ny sokatra. Tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo tandindomin-doza ny sokatra “radiata”. Ny fanadihadihana nataon’ny polisim-pirenena no milaza fa misy amin’ireo manam-pahefana no mpiray tsikombakomba amin’ny mpanondrana sokatra eto Madagasikara. Efa hatramin’ny vanim-potoanan’ny repoblika faharoa no nahitana fanondranana antsokosoko teto amin’ny firenena fa saingy mbola tsy lefy ihany izany ankehitriny. Mahazo tombony lehibe amin’ny fanondranana izany ireo tomponandraikitra mifandray mivanatana amin’ireo mpamatsy sokatra any ivelany. Amidy hatrany amin’ny 200 ka hatramin’ny 10000 dolara ny vidiny iray hoy hatrany ny mpanara-maso izany. Ny mpila azy any ivelany ihany koa tsy mitsaha-mitombo. Misy ihany ireo tratra, saingy tsy vitsy ihany koa ireo mahazo amin’izany. Tokony hamafisina ny lalàna ho an’ireo izay tratra satria midika ho famadihana ny tanindrazana ny fanaovana izany, indrindra ireo manam-pahefana efa mahafantatra lalàna nefa minia manao izany ihany.
Fanilo Rarivoarilala
