Ilaina hamafisina ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy.
Mbola maro ireo miaina ao anatin’ny herisetra na ara-batana izany ny ara-tsaina. Resahina manokana amin’izany ny vehivavy sy zaza tsy ampy taona. Mbola maro ireo mizaka ny tseran’ny aina nohon’ny goragora mbola hita eny amin’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny. Tsy resahina firy koa anefa izany raha tsy misy ny tranga miavaka izay miteraka fahavoazana amin’ny vehivavy na zaza iray. Miaina tanteraka ao anaty fahanginana ny ankamaroan’ny olona hiharan’ny herisetra. Antony tsy hasahian’izy ireny mitoroka ny tahotra ho amin’ny fahafaha-mbaraka sy ny henatra eo amin’ny fiaraha-monina. Misy ihany ireo fikambanana samihafa mandray an-tanana ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy. Saingy ny 30 % amin’ireo tena iharan’ny herisetra ihany no tonga manao fitarainana. Kolotsain’ny fiaraha-monina ihany koa ny hoe “tokatrano fihafiana”, ka antony tsy handehanan’ny vehivavy manatona ireny fikambanana ireny. Ny trangana fanolanana izay hita niakatra be, volana vitsivitsy lasa izay. Ny fomba fiteny hoe “Fihavanana” izay toa zary lasa sakana ho antsika ankehitriny, ka tsy hasahian-tsika mitory ny nahavanon-doza. Tsy misy hafa tsy ny fitorohan-tsika azy ireny anefa no hampihena ny herisetra mianjady amin’ny zaza tsy manan-tsiny. Izany indrindra no hisian’ny tetik’asa ho fampianarana ny ankizy sy ny vehivavy hahafantatra ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina hatao aminy. Nomena anjara ireo tany fenoarivo Atsinanana ny talata 16 sy Alarobia 27 febroary lasa teo.Tanjona ny fiarovana tanteraka ny Zon’ny ankizy sy ny vehivavy.Miara-misalahy tanteraka amin’ny fanatanterahana izany ny minisiteran’ny fitsarana sy ny mponina ary ny UNICEF.
Fanilo Rarivoarilala
