Tatitra

Lybie : Fahatsiharovana ny revolisionina.

Taorian’ny Tunisie, Egypte et le Yémen, anjaran’ny firenena Lybie indray izao ny mankalaza ny faha 10 taona nisian’ny revolitionina lehibe tany an-toerana.10 taona lasa tokoa izay no nisian’ny krisy goavana tao lybie. Mbola eo ampanarenana hatrany ny toe-kareny vokatr’io krizy io izy ireo hatramin’izao. Mbola miakatra hatrany ny tahan’ny fahasahiranana any an-toerana. Raha tsiahivina, nisy ny ady an-trano sy ny fizarazarana ara-politika ; teo ihany koa ny fangalana olona an-keriny, ny vono olona sy ny tsy fandriam-pahalemana. Niteraka krizy politika, ekonomika ary indrindra ny fanitsakitsahana ny zo maha-olona ny krizin’ny taona 2011, hoy ny banky iraisam-pirenena. Tsiahivina fa i Muammar Kadhafi no nitondra ity firenena ity ny taona 2011.

Laisser un commentaire