PolitiqueTatitra

Afghanistan : Raikitra ny fitifirana tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Kaboul

Nipoaka ny fifandonana teo amin’ny tafika afghan sy ny mpanafika mbola tsy fantatra ny alatsinainy teo tamin’ny 7 ora maraina tao varavarana avaratry ny seranam-piaramanidina. Manoloana io tranga io dia miheritreritra ny hanalava ny fe-potoana hijanonan’ireo tafika nalefany ao an-toerany ny filoha américain. Ny 31 aogositra teo mantsy no hiala ao Afghanistan izy ireo.

Mpikamabana iray tao amin’ny tafika afghan no namoy ny aina nandritra ity fifandonana ity ary 3 hafa no naratra. Tafika avy any Etats-Unis sy Allemagne moa no mivondrona ao anatin’ity tafika afghan ity.

Laisser un commentaire