SportTatitra

Japon : Misedra olana indray ny lalao « paralympique »

Hanomboka androany ny lalao « paralympique » ao Tokyo. Saingy efa ahiahiana ny tsy hisian’izany manoloana ny firongatry ny valan’aretina ao Japon. Tsiahivina fa efa nisedra olana ny fanatanterahana izany ny taona 1968 manoloana ny aretina tao Mexico sy ny taona 1980 noho ny fandavan’i Moscou ny fampiantranoana azy ary ny fanafoanana nataon’i Rio dimy taona lasa teo noho ny krizy ara-bola nisy tao aminy.

Tokony tamin’ny taona lasa tao ity lalao ity no notanterahina. Tsy manafaingana ny fanatanterahana izany ihany koa nefa valan’aretina. Tranga 25 000 isan’andro no voarakitra ao an-toarana tao anatin’ny andro vitsivitsy izay. Ireo mpandray anjara kosa dia tsy maintsy atao fitiliana isan’andro ary tsy mahazo mivoaka ny toerana hitoerany sy ny kianja.

Laisser un commentaire