ActualitésTatitra

Australie : Tsy mampihomehy ny « poisson-clown »

Karazana trondro ao amin’ny fianakavian’ny « pomacentridés » ny poisson-clown na « amphiprioninae ». Misy karazany 30 izy io, tokana ihany koa voasokajy ao amin’ny « premnas » raha « amphiprion » avokoa ireo 30 ambiny.

Trondro eo amin’ny 10 santimetatra eo ho eo ny « poisson-clown », izay miloko volomboasary misy tsipika mainty matetika. Misy ihany koa nefa ireo misy tsipika fotsy. Any amin’ny lagon ao amin’ny Océan Indien sy akaikin’i Australie ary ao amin’ny ranomasina mena no tena ahitana io karazana trondro io. Ny « copépode », « larve » ary « tunicier » kosa no sakafony.

Maro ny fanazavana manoloana ny nahatonga ny anaran’io trondro io hoe « poisson-clown ». Ao ireo milaza fa noho ny endrika ivelany izany, nohon’ny lokony marevaka sy mitsipitsipika toy ny clown anaty cirque. Misy ihany koa nefa ireo milaza fa midoladola toy ny ganagana ny filomanon’io trondro io izay mampatsiahy ny fandehan’ny clown.

Laisser un commentaire