Ambohimanambola: Ho tanterahina amin’ny alahady ny famaranana amin’ny fifaninanana dihy
Misy hatrany ny hetsika fampialana voly ny rehetra ao amin’ny kianja Coliséum kely, isaky ny alahady ao amin’ny kaomnina Ambohimanambola. Ny alahady izao, dia ny famaranana ny fifaninanana dihy indray no tanterahina ao an-toerana, araka ny voalaza.
“Mihitatra tsikelikely ireo hetsika atao eto amin’ny kianja. Anisan’ny mahafinaritra a,nefa satria manitona olona hatrany izany ka izay no mahatonga anay tomponandraikitra hikarakara fifaninanana mba hanomezana fahafa-po sy hampialana voly ny mponina ety an-toerana sy ny manodidina” hoy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
“Ao anatin’izany indrindra no mbola hanentanana hatrany ny mpankafy sy ny mpanohana rehetra ho avy hatrany, indrindra hanohana ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana. Efa maro ireo tonga isaky ny alahady saingy asaina hatrany ny hafa satria hisy mpihira hanolotra seho ao” hoy hatrany ny fanazavana.
2000 ariary moa ny vidim-pidirana amin’ity fampisehoana ity ary hanomboka amin’ny 01ora tolak’andro. Hisokatra amin’ny 12 ora kosa ny vavahady.
Manitra R.
