France : Zaza 16 volana no maty novonoin’ny raikeliny
Efa tao anaty « mort cérébrale » nanomboka ny zoma teo i Ambre, zazavavy kely 16 volana monja. Hita tsy nahatsiaro tena tao an-tranon’ny reniny tao Doui, ao avaratra tamin’io andro io ary voalaza fa maty ny talata teo.
Raha ny fanazavana dia novelesin’ny raikeliny, 19 taona, teo amin’ny lohany io zaza io. Izy mianaka irery no tao an-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga ary fantatra fa nandray zava-mahadomelina ilay tovolahy. Manoloana izany, voampanga nikasi-tanana an’i Ambre ilay tovolahy, ary efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana.
Raha ny fanamafisana dia vao 3 volana monja io lehilahy io sy ny renin’i Ambre no niara-nipetraka. Mety higadra 30 tao an-tranomaizana kosa ilay lehilahy manoloana ny tranga.
