ActualitésTsidika

Famokarana: Tsy miova ny kalitaon’ny vokatra cacao eto Madagasikara

Tafiditra ao anatin’ny “annexe C” ao amin’ny Organisation Internationale du cacao (ICCO) ny cacao  eto Madagasikara. Tsy nitranga-menatra ny firenena Malagasy manoloana ireo firenena efa manana ny kalitaom-pamokarana cacao toy an’i Bresil. Voatazon’i Madagasikara ny kalitao tsara indrindra maneran-tany amin’ny cacao na ny « cacao 100% fin »

« Mbola voahositra ho cacao tsara kalitao indrindra maneran-tany ny cacao Malagasy. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo firenena ao anatin’ny Tovana C ny ICCO ny alakamisy 12 oktobra 2023. Mitana ny famokarana ny cacao tsara kalitao ny firenana Malagasy.” Hoy ireo mpandraharaha.

“Tsara laza eran-tany ny cacao Malagasy. Misy fiantraikany amin’ny vidiny vokatra iraisam-pirenena izany. Efa nahitana fanatsarana ny fidin’ny cacao eny amin’ny mpamboly. Tafiakatra 10.000 ariary ny kilao raha 6.000 ariary teo aloha. Nahitana fitomboana ihany kao ny vokatra; 15.000 taonina amin’izao ny vokatra isan-taona raha 7.000 teo aloha.” Hoy hatrany ny fanazavana.

Ny tombotsoa azontsika amina karazana fihaonana toy izao dia ny hiakarana amin’ny laharana voalohany amin’ny famokarana kakao fin, sy ny hananana ny vidiny tsara indrindra manerana izao tontolo.

Laisser un commentaire