SocialTsidika

Mamonjy amin’ny fotoan-tsarotra ny fananana fiantohana.

Tsy maintsy manana fiantohana ny fiara iray raha ny lalàna mifehy eto Madagasikara. Ny mpampiasa fiara mandeha amin’ny arabe rehetra no tokony manao izany. Betsaka mantsy ny voina sy ny loza miseho an-dalambe rehetra eny. Fandikana lalàna ho an’ny mpampiasa fiara ny tsy fanaovana izany. Marobe ireo orinasa efa mandray an-tanana manokana amin’ny fanaovana izany fiantohana izany amin’izao fotoana izao. Anisan’ireny orinasa ireny ny trano fiantohana Aro. Ankoatran’ny fandraisana an-tanana manokana ny fiara anefa, manana tolotra ho an’ny olom-pirenena tsotra ihany koa izy ireo. Tsy mametraka lalana manokana ho an’ny fiantohana ara-tsosialy ho an’ny olom-pirenena tsotra aloha ny fanjakana hatreto. Indrindra ho an’ireo olona misehatra manokana amin’ny fandraharahana sy ny asa tena. Maro araka izany ny olona manantona ireny toerana ireny ankehitriny mba hitsinjovana ny fotoam-pahasarotana mety hitranga any aoriana any. Hita tokoa mantsy fa manavotra amin’ny fotoana manahirana ny fananana antoka hapetraka isam-bolana amin’ireny orinasa ireny. Efa saika miara-miasa amin’ireny toerana ireny ihany koa ny orinasa maro isan-karazany ho fitsinjovana ny mpiasany. Tanjon’ny orinasa Aro ankehitriny ny hanakaiky kokoa ireo mpanjifany. Iantsoron’izy ireo hatrami’ny sehatry ny fambolena ankehitriny. Manampy ny tantsaha. Antony iarahan’izy ireo miombon’antoka amin’ny orinasa allemand amin’ny fanatanterahana izany. Tsy amin’ny fotoan-tsarotra ihany no ilana ny trano fiantohana fa amin’ny fitsinjovana ny ho avy ihany koa.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire