SocialTsidika

Fonds Monétaire International (FMI) : Voasokajy ho firenena mahantra i Madagasikara.

Rafitra iraisam-pirenena ahitana mpikambana 189 ny Fonds Monétaire Internationale na FMI. Mampiroborobo ny sehatry ny fiaraha-miasa ara-bola  sy miezaka mampilamina izany manerana ireo firenena ireo no andraikiny. Mbola anjara asan’izy ireo ihany koa ny manamora ny fifanakalozana amin’ny lafiny rehetra. Mandray anjara amin’ny asa ambony rehetra izy ireo. Eo ihany koa ny fihezahana amin’ny fitoniana ara-toekarena sy ny fampihenana ny fahantrana. Ny fanadihadihana nataon’izy ireo tamin’ny taon-dasa no nahalalana fa firenena anisany mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara. Mahatonga izany hoy ny fanadihadihana ny tsy filaminan’ny politika sy ny fitantanana ratsy, izay sakana ho an’ny toekarena. Ny taona 2013 ka hatramin’ny 2019 kosa anefa nahitana fiakarana ho 4,8% ny harinkarena faobe. Hita eto Madagasikara ihany  koa anefa ny fampiasam-bola izay ataon’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fotodrafitr’asa. Na tokony hiakatra ho 5% aza anefa io harikarena io ny taona 2020, voasakan’ny Covid-19 izany ka nihena ho 0,4%. Antony mahavoasokajy an’i Madagasikara ho  firenena mahantra, ny fahambanian’ny taham-piveloman’ny Malagasy hoy ny FMI. Tsy lazaina intsony ny faharatsian’ny fari-piainana ankehitriny. Maro ireo mbola miaina anaty loto, tsy manana trano fidiovana, tsy ampy sakafo, ny tsy mahazo herinaratra. Tsy mitazam-potsiny ihany koa anefa ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny FMI, fa mizaka manohy ny fanampiana. Tokony hanana fanamby ny fitondram-panjakana eo amin’ny sehatra rehetra. Laharam-pahamehana amin’izany ny fampianarana ny olona eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fahaiza-mitantana.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire