ActualitésTsidika

Ministeran’ny Fitaterana : Ho amboarina sy hampanarahana ny toetr’andro ny lalàna mifehy ny kodiaran-droa

Nisy ny fampiofanana izay natolotra ireo mpamily kodiaran-droa tetsy amin’ny CCI ivato. Nivoitra tamin’izany ny tsy fahafehezan’ireo mampiasa ity fitaovam-pitaterana ity ny lalàna mahakasika ny familiana sasany. Maro ireo tonga nanatrika izany fampiofanana izany indrindra ireo mpamily « taxi-moto » eto Antananarivo Renivohitra.

« Maro mpankafy mihitsy izany kodiaran-droa izany. Manala fahasahiranana tokoa izy raha sendra fitohanana be loatra. Miisa 152 ireo tonga nanatrika ity fampiofanana ity ka vehivavy no roa amin’izany. Ny sasany amin’ireo dia mbola tsy manana taratasy familiana. Notsongaina manokana izy ireo ka avy amin’ny fikambanana mpakafy moto (ATM, NUTRINOS, TIABWS, VOIMOTO ary GMH) sy fikambanana maniry ny ho mpamily taxi moto (FMFM) avokoa izy ireo », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitaterana.

« Matetika loatra ny lozam-pifamoivoizana ahitana moto ary matetika dia maty mihitsy ilay mpamily moto na mitondr takaitra mafy. Ho fisorohana ny loza eo amin’ny moto sy ny skotera no antony iray lehibe nanaoloerana ity fampiofanana ity. Misy amin’izy ireny mantsy tsy mahay akory fa mankafy fotsiny kanefa tsy manam-bola hanarahana fianarana mahakasika ny familiana », hoy ny avy ao amin’ny AMEND (vondron’ireo manana fahaizana manao manokana eo amin’ny sehatry ny aro lozan’ny fifamoivoizana).

Lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny tokony hananana karatra familiana. Olona nanaraka fampiofanana sy nahazo ny naoty takiana ho amin’izany anefa no tokony hanana izany karatra izany. Tsy manan-jo hamily raha tsy manana izany mba hialana amin’ny mety ho loza haterany. Matoa mantsy tsy manana karatra dia mbola misy zavatra tsy voafehy ao anatin’izany ka mety hitera-doza. Izany no ilaina fanaraha-maso entitra avy amin’ny tompon’andraikitra. Raha ny kodiaran-droa manokana dia efa andalam-pamolavolana ny lalàna mifehy izany ny Ministera ka tokony hanaraka izany avokoa ireo mpampiasa kodiaran-droa noho izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire