SocialTsidika

Ambohibato Ambohimanambola : Tsy tokony ho olana tsy hampandroso ny tsy fisian’ny vola ho enti-mamelatra ny fihariana sy ny fambolena

Isan’ny olana sedrain’ny mponina any Ambohibato, Kaominina Ambohimanambola, ny tsy fahampian’ny orinasa hanodinana ireo vokatra vokarina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Mbola mampihatra ny fambolena nentim-paharazana rahateo ny mponina ao amin’ity Fokontany iray ity, hany ka azo lazaina ho tsy mahafa-po ny vokatra miakatra ka mampihena ny fahafaha-mividy. »Tsy ampy ny vola ho entina hampandrosoana ireo hetsika famokarana ety ifotony satria na ny vokatra aza dia any an-tanan-dehibe vao lafo » hoy ny sefo Fokontany ao Ambohibato. Mbola vitsy ny tanora misehatra ao amin’ny fandraharahana any an-toerana, kanefa azo atao tsara ny mitrandraka ny vokatra vokarin’izy ireo ho lasa fidiram-bola. Marihina fa misy tanora miisa 941 ao amin’ity Fokontany iray ity raha 1 698 ny isan’ny mponina amin’ny ankapobeny.Raha samy mandinika izay fomba hampitomboina ny vokatra sy ny handafosana ny vokatra vetivety izy ireo dia tsy hisy intsony ny olana. Misy fiompiana karazany maro ihany koa ao an-toerana izay mahalasa lavitra tokoa raha hay ny mitrandraka azy toy ny fiompiana « akoho gasy ».Firifiry izao ny olona miompy akoho gasy noho izy tsara hena kanefa tsy ampy fikarakarana izy ireny no mahatonga azy vitsy an’isa kanefa sehatra azo hivelomana tsara. Tsy laharam-pahamehana ny vola ho enti-miainga mba tsy hilazana hoe tsy ilaina akory fa izay misy no trandraho. Inona no zava-misy ? Inona no azo atao aminy ? Raha akoho gasy iray no misy inona ny olana raha ampitomboina roa dia manatody iny avy eo dia mitombo hatrany.Mila mahay mihary ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana satria io izao no isan’ny vahaolana hivoahana amin’izao fiainana sarotra izao. Tsy tokony miankin-doha amin’ny hafa foana fa manorona ho an’ny tena manokana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire