ActualitésTsidika

Alasora : Nandray anjara tamin’ny « Salon national de l’eau, de l’assainissement et de l’hygiène ny kaominina

Nisy ny hetsika « Salon national de l’eau, de l’assainissement et de l’hygiène » niseho tamin’iny faran’ny herinandro iny. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny kaominina Alasora, izay nisoloan’ny fikambanana Kolorano sy Kolotanana tena, araka ny voalaza.

«Anisan’ny andraikitra lehibe sahanin’ny fikambanana Kolorano sy Kolotanana eto Alasora ny mahakasika ny fahadiovana, ny fanadiovana ary ny fidiovana. Zava-dehibe araka izany ny fandraisan’anjaran’izy ireo mba hampafantarana ny rehetra izany sehatra izany » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

«Iliana dia ilaina ary tena zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny hetsika tahaka izao. Amin’ny fotoana toa izao no hahafahana mampahafantatra ny rehetra ny fisian’ny fikambanana sy hanaovana fanentanana mahakasika ny tokony hikajiana ny rano, ny fahadiovana sy ny fanadiovana eo amin’ny tontolo» hoy i Andréa, mpisehatra amin’ny rano, fidiovana sy fanadiovana.

Marihina moa fa nisy ny tranoeva izay nentina nampiarantiana ireo asa sy fampahafantarana nentin’izy ireo nandritra izany hetsika izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire