France : Voasazy ireo vehivavy roa nanely tsaho fa lehilahy i Brigitte Macron
Tamin’ny volana desambra 2021 dia nisy vehivavy roa nampiely tsaho tamin’ny tambajotra sosialy fa lehilahy ny vadin’ny filoha Emmanuel Macron. Nilaza ireo vehivavy ireo tao anaty horonantsary fa lehilahy « transgenre » mitondra ny tena anarana hoe Jean-Michel Trogneux i Brigitte Macron ary tsy nitondra ny zanany sivy volana fa nanarama olona niteraka ho azy.
Nanamafy ihany koa ireo vehivavy nilaza azy ho mpanao gazety mahaleo tena ireo fa tsy nisy akory ny vadin’i Brigitte Macron voalohany, sandoka ny antontan-taratasy mikasika izany hoy izy ireo. Mbola nanaparitaka ihany koa ireo vehivavy ireo fa efa niaraka tamin’ny vehivavy antsoina hoe Catherine Auzière io vadin’ny filoha io.
Notsaraina tao amin’ny tribonalin’i Lisieux ny volana janoaryteo kosa ireo vehivavy nampiely tsaho ireo ary voasazy nandoa lamandy 2 000 Euros, mandoa honitra 3 000 Euros ho an’i Catherine Auzière sy ny vadiny ihany koa izy ireo.
