ActualitésTsidika

Isan’ny mpiaro ny Merina tamin’ny androny ny Goaikia na ny Goaika

Milaza zavatra tokoa ny goaika rehefa mihoraka indrindra tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Teny Ambohimanga i Andrianampoinimerina tamin’izay ary nihoraka ny goaika teo Ambohimanga ka nahataitra ity mpanjaka ity ka nanao hoe: « Alao ny mpanandro fa misy fambara ity vorona ity ». Nanontaniana mpanandro ary nampiomana ny mpanjaka fa hisy zavatra hitranga.

Vetivety teo anefa dia nisy nilaza ny mpanjaka fa tonga any Ambohibololona ny fahavalo. Marihina fa Tsimahafotsy no fiantso ny vahoaka monina ao Ambohimanga sy ny vohitra manodidina miaraka aminy. Ary nankin’i Andrianampoinimerina tamin’ireo Tsimahafotsy ny famonoana ireo fahavalo ireo ary nampiarahany tamin’ireo vahoaka ireo i Radama zanany ary resy tamin’izany ireo fahavalo satria nipaoka ireo fahavalo ihany koa ny goaika. « Tsy laitra izany izy, fa miady ambamin’ny vorona » hoy ireo fahavalo tamin’izany.

Nony maraina anefa dia niverina teo am-baravaran’Andrainampoinimerina ny goaika ka nantsoina indray ny mpanandro. Ny fandresen’i Tsimahafotsy nanoloana ny fahavalo no hevitr’ireo goaika ireo ka faly Andrianampoinimerina ary notsofina ny angaroha ka nihoby ny olona. Nilaza ny mpanjaka taorian’izay fa « Ary izao kosa no mba holazaiko aminareo: indreo ny goaika mitoetra eto Ambohimanga, fa vorona manompo ahy ireo ; koa raha misy mitoraka sy mamono ny goaika, ataoko mahameloka : fa ny voromanidina any an-danitra aza, manatona ahy ». Ary hatramin’i Radama I dia nisy lalàna mandràra ny famonoana goaika.

Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fanjakana taorian’Andrianampoinimerina araka izany ny goaika ka narovana tokoa. Tsisy Maintienindreny, tsisy Antemoro fa ny Goaika sy Tsimahafotsy ary Mpanandro no nentin’Andrianampoinimerina niatrika vonjy rano vaky satria tonga tampoka anaty alina efa tao ambany andrefan’Ambohimanga hanafika i Imarovatana nitondra Sakalava. Radama II kosa vao tsy namahana sakafo ireo goaika, avy dia rava fanjakana. Toy izany daholo ireo mpanjaka nandimby azy, tsisy naharitra. Goaikia no fiteny merina tranainy fa nivoatra ho lasa Goaika.

Ny goaikia ilay karazany atao hoe « Corvus scapulatus » no misy eto Madagasikara. Ao Cap de bonne esperance ao Afrika atsimo sy any Mongolie sy Persie (Iran) ary Chine ihany koa no misy io karazana goaika atao hoe « Corvus scapulatus » io izay voromanidina tahaka ny vatotr’akoho ny halehibeny ary toy ny lokomboanjo manta ny tamenan’ny masony, mainty ny vavany sy ny tongony ary ny hohotongony, maintibe mamiratra manga ny volony ary miloko fotsy ny ambany sy mihodidina ny vozony, nofom-biby sy voanjo no fihinany.

Somary kely vatana ny goaika vavy ary kely ny faritry ny volony fotsy. Miara-monina manao andiany maro tsy lavitry ny trano fonenan’ny Olombelona ny goaika corvus scapulatus ary mihinana fatim-biby sy bibikely mivelona amin’ny omby aman’ondry ka izany no itiavan’ny mpiompy azy. Eny ambonihazo na any anaty kirihitra ny tranony, maintso tanora misy pentina miloko hodimboanjo manta (brun) ny atodiny miisa 5 na 6.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire