France : Tsy hitatitra rajako intsony ny Air france any amin’ny tapaky ny taona 2023 any
Nanao fanambarana ny tompon’andraikitry ny Air France ny volana jona telo fa tsy hitatitra rajako ampiasiana amin’ny andrana anaty laboratoara intsony ny zotram-piaramanidina. Tsy nametraka daty ofisialy izy ireo tamin’izany ary nanamarika fotsiny fa io fanapahan-kevitra dia mifanaraka amin’ny paik’ady RSE (responsabilité sociale et environnementale).
Nandefa hafatra tamin’ny depioten’i Paris Aymeric Caron izay nitaky fitsaharana kosa ny Air France ny faran’ny herinandro teo fa ho lohalaharana ny fiarovana ny biby ka ho hatsahatra tanteraka any amin’ny volana jona 2023 any ny fitanterana « primate ». Fanampahan-kevitra izay nahafaly ny fikambanana miaro ny biby One Voice ihany koa. Nanazava izy ireo fa ny Air France dia isan’ireo zotram-piaramanidina ao Europe farany mbola nanao io hetsika io.
