Mayotte : Nisokatra ny sampana « néonatologie » tao amin’ny CHM
Nisokatra ny fanaran’ny herinandro teo ny sampana vaovao handraisana zaza tsy tonga volana na mila fitsaboana manokana ao amin’ny hopitalin’i Mamoudzou. Dingana voalohany ao amin’ny tetikasa fanavaozana ny toeram-pitsaboana mba hanatsarana ny fandraisana an-tananany marary izany hoy ny tompon’andraikitra.
2 volana no nanatontosaina io fanavaozana io ary 290 000 euros ny tetibola nentina namolavolana izany. Fandriana 24 isa, mizara amin’ny efitra 12 no efa tafapetraka ao amin’i toerana vaovao io ary handray zaza mila fitsaboana 0 hatramin’ny 28 andro eo izany hoy ny tompon’andraikitr’io sampana io Oulfa Ahmed.
