SocialTatitra

Allemagne : Notsaraina ilay mpikambanan’ny Daesh namono zazavavy kely

Notsaraina ny alatsinainy teo i Jennifer Wenisch, 30 ans, mpikambana tao amin’ny Daesh teo aloha izay voaheloka niaraka tamin’ny vadiny Taha Al-Jumailly namela zazavavy kely 5 taona ho fatin’ny hetaheta.Tao Francfort no notontosaina ny fitsarana azy roa. Nandevozin’izy ireo io zaza io sy ny reniny raha ny fanazavana ary rehefa namany am-pandriana izy dia nafatotr’ireto tsy mataho-tody ireto ka matin’ny hetaheta. Mbola nanohy ny asany tao amin’ireto mpivady ireto kosa ny reniny tao aorian’izany.

Laisser un commentaire