SocialTsidika

Mariky ny fahantrana ny fahabetsahan’ny mpangataka eny amoron-dalana.

Tsikaritra tato ho ato fa miha-mitombo ireo olona mangataka eny amin’ny arabe rehetra eny. Tsy mifidy sokajin’olona intsony izany ankehitriny, raha toa ka olona manana fahasembanana sy tsy fahafahana manao asa no betsaka taloha. Manao izany avokoa na ny lehibe na kely, na tanora na antitra. Ny fahasarotan’ny fiaianana ankehitriny no antony mampirongatra izany tato anatin’ny taona vitsitsivy izay. Eo ihany koa ny tahan’ny tsy fananana asa eto amitsika ka zary lasa tsy manan-katao intsony ny vahoaka. Manginy fotsiny ny tsy fahampian’ny trano fonenana ka mahatonga ny mponina sasany ho eny an-dalambe rehetra eny. Ny an’ny sasany aza moa, zary lasa antom-pivelomana mihitsy ny fangatahana. Misy amin’ireo ray aman-dreny no mandefa ny zanany hanao izany, misy ihany koa izy ireo mihitsy no mandeha manatanteraka izany. Lasa fivelomana kely ho an’ny ankohonana, indrindra fa eto Antananarivo izany. Na eo aza ireo akany mandray ireny olona tsy manan-kialofana ireny, tsy manakana ny fitomboan’izy ireo eny an-dalambe izany. Eo ihany koa ny fahasahiranana lalovan’ny akany nohon’ny habetsahan’ny olona tonga eo amin’izy ireo. Izany no midika fa mbola tsy tomombana tsara ny firindran’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara. Ny fahitana ny fahabetsahan’izy ireny aza moa no azo hilazana fa mbola firenena andalam-pandrosoana isika. Mbola mila rafitra sy vahaolana maharitra ny mahakasika izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire