Miverina amin’ny asany ny mpitsabo mpanampy.
Fotoana maromaro izay no nanatanteraka fitokonana ny teo anivon’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampiteraka, na ny SISFM. Maro ny hetsika natao nandritra izany fotoana izany. Izy ireto izay manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fahasalamana. Tsiahivina fa efa maro ny endrika fanehoana ny fahatezeran’izy nohon’ny tsy famaliana ny hetahetany. Tao anatin’ny fangatahany ny fampidirana ireo namany mbola milatsaka an-tsitrapo, ny fanefana ny tambin-karama nandritran’ny fotoana nampihanaka be ny Coronavirus. Ny herinandro lasa teo izy ireo no tsy nanatona ny toeram-piasany mihitsy taorian’ny filanjana sora-baventy teo amin’ny HJRA. Nanapa-kevitra ny hiverina tamin’ny asany izy ireto omaly. Fanapahankevitra hita fa mety ny fiverenan’izy ireo amin’ny asa nohon’ny fikatsohan’izany eny amin’ny tobim-pahasalamana. Tsy vitan’ny mpitsabo irery mantsy ny eny anivon’ireny hopitalimpanjakana ireny fa mila ny mpitsabo mpanampy. Mila heverina kosa anefa na izany aza ny fangatahan’izy ireo mba ho fitsinjovana ny eny amin’ny toeram-pitsaboana. Nilaza ny hangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena kosa anefa izy ireo ato ho ato.
Fanilo Rarivoarilala
