Actualités

Covid-19 : Nisy fihenany ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina.

Mbola mitoetra ho ady iombonana sy fahavalo iraisana ny coronavirus. Tsy mitsahatra mikaroka vahaolana ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana izao tontolo izao. Manao ny ezaka rehetra hampihenana ny tahampahafatesana ny firenena maro. Tsy afa-bela avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Raha ny eto Madagasikara manokana no jerena, somary hita nihalefy ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina na dia efa nahitana fiakarany aza izany ny volana janoary lasa teo. Tsapa sy hita eny ihany ny fahatongavan-tsain’ny Malagasy amin’ny fanajana ny fepetra. Tsy vitsy ihany koa anefa ny mbola minia tsy manaraka ny lamina mipetraka amin’izany. Mampametra-panontaniana ny maro ihany koa anefa ny mety hisian’ny fihibohana indray amin’ny fisian’ny andro mangatsiaka. Raha ny hita mantsy, ny vanim-potoan’ny ririnina no tena ahitana ny fihanak’ity aretina ity. Manahy ny amin’ny fiainana ho avy avokoa ny maro. Tsy mitsahatra ny manao tatitra hatrany ny eo anivon’ny fahasalamam-bahoaka. Tamin’ny herin’andro lasa, olona 5 indray no matin’ny corona virus, raha toa ka, miisa 233 ireo voamarina fa mitondra indray ny tsimonk’aretina. Mitotaly 19 831 ireo olona efa voamarina fa nitondra izany. Olona 297 kosa no efa maty nandritra izany fotoana izany. Mizarazara manerana ny faritra maro ireo tranga ireo. Eto Analamanga no ahitana olona betsaka indrindra mitondra ny tsimonk’aretina corona virus. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo mahazo fahasitranana. Atao hatrany moa ny antso amin’ny fanajana ny fepetra rehetra mba tsy hiteraka fahasahirananana vaovao indray ho an’ny rehetra. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire