RN6 : Ho averina amin’ny aloniny ny fifamoivoizana
Nidina ifotony nijery ny fahasimban’ny lalam-pirenena fahenina ny Ministeran’ny asa vaventy. Tena nampitaraina ny vahoaka tokoa ity lalana ity noho ny fahasimbany.
« Toerana telo no tena nampitaraina ireo mpampiasa ity lalana ity. Anisan’izany ny teo amin’ny PK 34+500 Manerinerina izay nampitohana ireo fiara vaventy nandritra ny andro maromaro nohon’ny fiangonan’ny fotaka teo amin’ny arabe » hoy i Rolland, mponina ao Manerinerina. « Tsy maintsy haverina ato anatin’ny telo na efatra andro ny fifamoivozana. Ny asa maika hotanterahina dia ny fanokafana ny lalan-drano sy fanalana ireo fotaka niangona. Eo ihany koa ny fanamafisana ny arabe amin’ireo ampahan-dalana ireo hahafahan’ny fiara rehetra mandeha » hoy ny Minisitry ny asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry.
Ny Goverinoram-paritra no miara-misalahy amin’ny Ministera amin’ny asa fanarenana. Eo koa ireo orinasa toy ny Colas, izay manamboatra ny lalana mampitohy an’Ambanja sy Antsiranana.
Nicole Rafalimananjara
