Ankadikely Ilafy : Nampahafantarina ny mponina ireo haba sy hetra aloa
Nampahafantarin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy ny mikasika ireo haba sy hetra aloa eo amin’ny kaominina. Betsaka mantsy no tsy mahalala ny mikasika izany akory sy ny hanaovana azy.
« Nampahafantarana an’ireo mponina ireo vola aloa eto amin’ny Kaominina. Nandalo sy nodinihana ary efa tapaka teo amin’ireo mpanolotsain’ny Tanàna izany » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. « Vola entina hampandrosoana ny kaominina hatrany ny vola mihodina eto. Sakana lehibe tsy hisitrahan’ny olona ny fandrosoana ny tsy fandovan-ketra » hoy i Emilien, manam-pahaizana mikasika ny hetra eto Avaradrano.
« Miara-miezaka ho amin’ny Fampandrosoana ao anaty Fahasamihafàna » hoy ny teny filamatry ny kaominina. Tanàna mandroso miaraka no tanjona. Ny fandovan-ketra dia isany amin’izany. Nicole Rafalimananjara
