Cameroun : Mpino iray maty ary mpitandrina iray naratra nandritra ny fotoam-pivavahana
Mpino iray sy pasitera iray no nisy nitifitra basy ny alahady teo nandritra ny fotoam-pivavahana tao amin’ny faritra “anglophone” an’i Cameroun. Ity farany izay lasibatra amina fifandirana « séparatiste » hoy ny tompon’andraikitry ny kaominana sy ny fiangonana « presbytérienne ».
Feom-basy maromaro no rehy tao amin’ity fiangonana « presbytérienne » tao Bali ity hoy i Samuel Fonki lohan’ity antokom-pivavahana ity. Voa teo amin’ny tànany ny mpitandrina ary mino izahay fa ny vondrona « séparatiste » no nahavanona ity fanafihana ity. Efa 4 taona lasa moa no nanomboka nanakorotana tao an-toerana ity vondrona ity.
