ActualitésTsidika

Fanabeazana : Tsy mazava amin’ireo ray aman-dreny ny hoe « maimaim-poana » ny fampianarana

Diso fanantenana amin’ny filazan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ireo ray aman-dreny mampiana-janaka eny amin’ny sekolim-panjakana fa maimaim-poana ny fampianarana.

Nanamafy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa maimaim-poana ny fampianarana eny anivon’ny sekolim-panjakana. Ary misy ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra mba hitsinjovan’izy ireo ny fasahiranan’ireo ray aman-dreny.

Nilaza kosa ireto farany fa misy ny fandraisana anjara izay tsy maintsy arotsaka ao amin’nyFarimbon’Ezaka ho Fahombiazan’ny Fanabeazana eny Ifotony (FEFFI) eo anivon’ny sekoly ho amin’ny fampandehanana ny raharaha rehetra mandritra ny taom-pianarana. Mitaraina arak’izany ireo ray aman-dreny amin’ny tsy fisian’ny enti-manana.

"Tsy misy sarany ny fisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakana rehetra. Na izany aza, misy ny fandraisan’anjara manomboka amin’ny telo alina ariary hatramin’ny enina alina ariary arakarakarakin’ny sekoly izay aloan’ny ray aman-dreny ray aman-dreny" raha ny fanazavana nomen’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny habetsaky ny fandraisana anjaran’ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia voafaritry ny fivorian’ny fivoriambe, hoy hatrany izy ireo nanampy ny fanazavany.
"Tsy misy tokoa ny vola aloa rehefa hisoratra anarana ary marina fa misy ny fandraisana anjara arotsaka fa kosa tsy tokony atao midangana be, mitovy amin’ny tsy misy ihany izany ny filazana fa maimaim-poana ny fampianarana satria mbola mandoa vola be ihany izahay" hoy i Fleurette, ray aman-drenin’ny mpianatra. Raha ny fanehoan-kevitr’ireo ray aman-dreny avy etsy Analamahitsy kosa : "fampandriana adrisa fotsiny ihany ny filazana fa maimaim-poana ny fampianarana", tsy maintsy mandoa ny vola vola nangatahin’ireo lehiben’ny sekoly manabe ny zanany any amin’ny banky izy ireo Mitovy amin’izay avokoa ny fanehoan-kevitrin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra. 
Milaza kosa ny talen-tsekoly iray fa "ny mpianatra rehetra manovo fahalalana ety anivon’ny sekolim-panjakana, mianatra fotsiny. Tsy misy ny saram-pisoratana anarana sy saram-pianarana aloa, mizara fitaovam-pianarana maimaim-poana izahay matetika ary misy ny tohan’aina izay zaraina maimaim-poana amin’ny mpianatra. Tsy maintsy atao kosa ny fandoavana ny fandraisa anjara indray mandeha isan-taona. Izany dia mba hampandehanana ny raharaha rehetra eo anivon’ny sekoly". Nilaza ny maha ara-dalana ny fandraisana anjara ny ray aman-dreny kosa i Nivo, mpampianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra : "Misy ny asa atao ho fampandrosoana eo anivon’ny sekoly, ara-dalana tsara arak’izany ny fandraisana anjaran’ireo ray aman-dreny".
Ny tsikaritra aloha hatreto, noho ny fisian’ny valan’aretina "Coronavirus" no tena isan’ny nitarika fasahiranan ho an’ireto ray aman-dreny ireto. Tsy takatra intsony ny vola tokony aloa satria tsy misy vola eo am-pela-tanana. Na izany aza, hita fa mbola tsy mazava amin’ireo ray aman-dreny maro ny tena hevitrin’ny hoe fampianarana maimaim-poana. Tokony hitondra fanazavana arak’izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena : amin’ny alalan’ny varavarana misokatra ohatra mba ho fampahafantaraan ireo ray aman-dreny vaovao. Betsaka arak’izany ireo ray aman-dreny no tsy nandefa ny zanany hianatra na dia efa herinandro alohan’ny hanombohan’ny taom-pianarana aza. 
 
                                                                                           Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire