Tunisie : Nanitatra ny fampiatoana ny antenimiera ny filoha Kaïs Saïed
Nanapa-kevitra ny hanitatra ny « gel du parlement » na ny fampiantoana ny asan’ny parlemantany filoha Kaïs Saïed ny alin’ny alatsinainy hatramin’ny talata maraina teo. Natomboka ny 25 jolay ity « gel du parlement »ity ary 30 andro no faharetany raha ny fanapahan-kevitra noraisiny tamin’izany.
Tsiahivina fa naato avokoa ireo hetsika rehetra nanomboka tamin’io fanonganam-panjakana tamin’ny 25 jolay io. Ny lehiben’ny governemanta Hichem Mechichi moa no nalana tamin’izany. Namoaka didim-panjakana nanitatra io fepetra io ity filoha tunisien ity ary nanala ny fiarovana ireo depiote rehetra ihany koa izy mandra-pahatongan’ny fampandrenesana manaraka indray.
